Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama,
Genesisy 20:18 - Baiboly Katolika Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa NY TOMPO nahamomba tanteraka ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. Malagasy Bible Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama. La Bible en Malgache Fa NY TOMPO nahamomba tanteraka ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. |
Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama,
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»
Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»
Sady mbola nankalozain’ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’i Iaveh azy momba.
Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»