Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Genesisy 19:17 - Baiboly Katolika Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nahatondra azy tany ivelany izy ireo dia niteny hoe: Mandosira hamonjy ny ainao! Aza miherika ianao ary aza mijanona mihitsy eto amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra mba tsy haharingana anao. DIEM PROTESTANTA Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika hianao, na mijanona eny amin’ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao. Malagasy Bible Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. La Bible en Malgache Rehefa nahatondra azy tany ivelany izy ireo dia niteny hoe: Mandosira hamonjy ny ainao! Aza miherika ianao ary aza mijanona mihitsy eto amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra mba tsy haharingana anao. |
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany.
Hoy i Lôta tamin’izy ireo: «Tsia, tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao:
Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niakatra avy tao Segôra i Lôta, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segôra. Dia nipetraka tao amin’ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.
Koa etsy ange avelao homeko hevitra ianao ankehitriny hamonjenao ny ainao sy ny ain’i Salômôna zanakao.
Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?
Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»
Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
Fa hoy i Jesoa taminy: «Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan’Andriamanitra.»
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
Nanirahan’i Saola olona, tany an-tranon’i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan’i Mikola vadiny an’izany i Davida, nataony hoe: «Raha tsy mandositra anio alina ianao, rahampitso ihany dia maty».