Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»
Genesisy 18:31 - Baiboly Katolika Hoy i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, angamba roapolo izy no ho hita ao.» Ary hoy Izy: «Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ihany i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho: Angamba olona marina roapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny olona marina roapolo. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ihany i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina roapolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ihany i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ny olo-marina roapolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. Malagasy Bible ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. La Bible en Malgache Dia hoy ihany i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho: Angamba olona marina roapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny olona marina roapolo. |
Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»
Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»
Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?
Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.»
Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.