Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Genesisy 17:20 - Baiboly Katolika Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny amin’Ismaela dia efa nihaino anao Aho. Indro, hitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa amby folo izy satria notendreko ho firenena lehibe. DIEM PROTESTANTA Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny amin’Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. Malagasy Bible Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. La Bible en Malgache Ary ny amin’Ismaela dia efa nihaino anao Aho. Indro, hitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa amby folo izy satria notendreko ho firenena lehibe. |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.»
Hohasoavin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie ianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro.
Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy, ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.