Genesisy 17:10 - Baiboly Katolika Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. DIEM PROTESTANTA Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. Malagasy Bible Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. La Bible en Malgache Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. |
Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.
Nony teraka havaloana izy dia noforàn’i Abrahama, araka ny efa nandidian’Andriamanitra azy.
Izao ihany no azonay anekena ny hatakareo raha tonga tahaka anay ianareo, ka hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.
Kanefa izao ihany no aneken’ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika: dia ny hoforàna tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika.
Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.
Fa nalain’i Sefôrà ny fiharatra vato ka noforàny ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr’i Môizy ny nesoriny teo, nataony hoe: «Vady tamin-dra ianao.»
Miforà ho an’i Iaveh ianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian’ny ataonareo.
Nefa ny famorana nomen’i Môizy anareo (na tsy i Môizy, fa ny razana no niaviany), dia ataonareo na amin’ny sabata aza.
Dia nomeny fanekena amin’ny famorana i Abrahama, ka nony niteraka an’i Isaaka dia namora azy tamin’ny andro fahavalo; i Isaaka kosa niteraka sy namora an’i Jakôba, ary i Jakôba namora an’ireo Patriarka roa ambin’ny folo lahy.»
Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin’ny nofo no tena famorana;
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny Lalàna.
satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin’ny finoana, sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.
Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny Hazofijalian’i Kristy izy.
Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora,
Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.
Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.
Tamin’izany andro izany hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak’i Israely.»
Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.