Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:10
29 Rohy Ifampitohizana  

Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.


Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


mbamin’ny lehilahy rehetra tao an-tranon’i Abrahama, na ireo mpanompo teraka tao an-trano na ireo novidîny vola tamin’ny vahiny.


Noforan’i Abrahama i Itsehàka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.


Izao anefa: ekenay ny hevitrareo, raha hoforana mitovy aminay ny lehilahy rehetra eo aminareo.


Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tàhiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy.


«Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.


Koa nalain’i Tsipôrà ny vato maranitra, dia noforany ny zanany lahy; ary natehiny teo anelanelam-pen’i Mosesy ilay vato, sady hoy izy tamin’ny vadiny: «Eny, vady azo tamin’ny ra ianao ho ahy.»


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Noho i Mosesy nanome didy anareo hanao famorana (kanefa tsy i Mosesy no nipoirany fa ny razanareo), dia mamora olona ihany ianareo na amin’ny andro sabata aza.


Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.


Tsia, tsy izay miseho etỳ ivelany no tena maha Jiosy ary tsy izay voafora ara-nofo no tena voafora;


Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra


Miaiky manko isika fa ny olona manam-pinoana no eken’Andriamanitra ho marina, fa tsy izay manatanteraka ny lalàna.


satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa.


Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy.


Ianareo izay hafa firenena, – dia ianareo antsoin’ny Jiosy hoe «tsy voafora», fa izy ireo miantso ny tenany hoe «voafora» (ilazana famantarana ataon’ny olona amin’ny nofony) –, tsarovy izay nanjo anareo fahiny:


Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.


dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.


Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona.


Tamin’izay koa dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Manaova antsy vato ho anao, ka forao ireto Israelita taranaka vaovao ireto.


Fony niala tany Ejipta ny vahoaka Israelita, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana dia samy efa voafora avokoa; nefa maty teny an-dalana tany an-taniefitra avokoa ireo. Fa ny zazalahy teraka teny an-dalana tany an-taniefitra kosa dia tsy mbola nisy voafora: izany no anton’ny namoran’i Josoa azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra