Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hoforana ianareo; ho famantarana ny fanekena ho Amiko sy ho aminareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Hifora amin’ny nofonareo ianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia hoforana hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hoforana ianareo; ho famantarana ny fanekena ho Amiko sy ho aminareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia mbola nampian’Andriamanitra hoe: «Izao no ataoko mariky ny fanekempihavanantsika ho Ahy sy ho anareo ary ho an’ny zava-mananaina rehetra miaraka aminareo hatramin’ny taranaka fara mandimby.


Dia naniraka olona nankany amin’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikàla vadiko izay efa azoko ho takalon’ireo tsitsy zaton’ny Filistinina.»


«Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.


Koa nalain’i Tsipôrà ny vato maranitra, dia noforany ny zanany lahy; ary natehiny teo anelanelam-pen’i Mosesy ilay vato, sady hoy izy tamin’ny vadiny: «Eny, vady azo tamin’ny ra ianao ho ahy.»


Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.


fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina;


Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.


Dia nanao antsy vato ho azy i Josoa ka namora ny Israelita. Teo amin’ny toerana izay nantsoina hoe Gibehà-Haralôta na havoana famorana no nanaovana izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra