Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


Noforan’i Abrahama i Itsehàka zanany lahy, rehefa feno valo andro araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.


«Ny mpanompo izay novidina dia mahazo mandray anjara amin’ny sakafo rehefa voafora.


«Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny.


Amin’ny andro fahavalo, dia hoforana ny zaza.


Nony afaka herinandro, dia tonga indray izy rehetra hamora ny zaza, ary ny anaran-drainy hoe Zakarià no saika hiantsoany azy.


Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain’ny anjely talohan’ny nahatorontoronina Azy.


Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.


Tsia, tsy izay miseho etỳ ivelany no tena maha Jiosy ary tsy izay voafora ara-nofo no tena voafora;


Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra