Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Hitandrina ny fanekempihavanako ianao sy ny taranakao mandimby anao hatrany hatrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Hoy ihany Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Hitandrina ny fanekempihavanako ianao sy ny taranakao mandimby anao hatrany hatrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Hoy ihany Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»


izay mitandro ny fanekempihavanany ka mahatsiaro hanatanteraka ny baikony.


Ny torohevitra rehetra ataon’ny TOMPO dia maneho fitiavana tsy miova ho an’izay manaraka ny baiko raketin’ilay fanekempihavanany.


Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra