Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:23 - Baiboly Katolika

23 Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Koa dia nalain’i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’izay rehetra novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:23
16 Rohy Ifampitohizana  

Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.


Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.


Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».


Neken’izay rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna ny tenin’i Hemora sy i Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna.


Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao.


Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.


Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.


ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforàny, noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Jentily ny rainy.


satria ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.


Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra