Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.
Genesisy 16:13 - Baiboly Katolika Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’NY TOMPO izay niteny tamin’i Hagara dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra izay mahita, satria, hoy izy: Teto tokoa va no nahitako Azy taorianan’ny nahitany ahy? DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy, hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ny fahitana? Malagasy Bible Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? La Bible en Malgache Ary ny anaran’NY TOMPO izay niteny tamin’i Hagara dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra izay mahita, satria, hoy izy: Teto tokoa va no nahitako Azy taorianan’ny nahitany ahy? |
Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Tsy naninjitra ny tanany tamin’ireo olom-boafidin’ny zanak’i Israely izy: dia nahita an’Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro.
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.