Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Genesisy 15:7 - Baiboly Katolika Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao. DIEM PROTESTANTA Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy indray Izy taminy: –Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao. |
Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.
Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»
Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»
Nomeny azy ireo ny tanin’ny firenena, ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan’ny firenena izy ireo.
Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.»
Tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.
Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan’ny teny efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao.