Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.
Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.