fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.»
Genesisy 12:18 - Baiboly Katolika ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? DIEM PROTESTANTA Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? Baiboly Protestanta Malagasy Ary Farao dia nampaka an’i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? Malagasy Bible Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? La Bible en Malgache Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? |
fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.»
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Nony tonga ny maraina, indro fa i Lià io, ka hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?»
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»
Ary hoy i Labàna tamin’i Jakôba: «Fa naninona ity ianao? Nandiso fisainana ahy ianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra.
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Dia hoy i Josefa taminy: «Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany?»
Dia nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao hoe: «Inona no nataonao? Tonga teto aminao i Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatro anefa i Abnera zanak’i Nera.
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao no dia notsindrianao heloka be vava toy izao izy?»
Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»
ary ianareo kosa tsy hanao fanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa handrava ny ôteliny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo. Ka ahoana no nanaovanareo izany?
Ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy: «Ambarao amiko izay nataonao.» Dia nambaran’i Jônatasy azy, ka hoy izy: «Nanandrana tantely tamin’ny loha tehina tetỳ an-tanako, ary inty aho manaiky ny ho faty.»