Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 12:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Farao dia nampaka an’i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 12:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Nahoana moa no nolazainao fa anabavinao izy, ka dia nalaiko ho vadiko? Izao ankehitriny izao, iny raiso ny vadinao ka mandehana!


Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.


Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?


Ary hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Nahoana ianao no nanao izany? Fa namaly kosa ravehivavy hoe: –Voafitaky ny bibilava aho ka nihinana.


ka nilaza tamin’i Jakôba hoe: –Inona izao nataonao izao? Nahoana no namitaka ahy ianao, ka nentinao mandositra toy ny babo an’ady ireo zanako vavy?


Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: –Inona ity nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin’ny tany.


Ary hoy i Jôsefa taminy: –Ahoana no nanaovanareo izao zavatra izao? Tsy fantatrareo angaha fa ny lehilahy toa ahy izao dia mahay mamanta-javatra?


Ary nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe: –Fa inona izany nataonao izany? Tonga teo aminao i Abinera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny?


Ary nanontany an’i Aharôna izy hoe: –Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin’izao heloka bevava izao?


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Dia hoy i Josoa taminy: –Anaka, omeo voninahitra sy haja ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; lazao amiko izay nataonao fa aza misy afenina ahy.


Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa tokony handrava ny alitarany. Kanjo tsy nanaraka ny teniko ianareo! Ahoana izao nataonareo izao?


Ary hoy i Saoly taminy: –Tantarao amiko izay nataonao. Dia notantarain’i Jônatàna azy izany ka hoy izy: –Nihinana tantely kely tamin’ny lohatehina teny amiko aho. Koa intỳ aho fa vonon-ko faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra