Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 31:26 - Baiboly Katolika

26 Ary hoy i Labàna tamin’i Jakôba: «Fa naninona ity ianao? Nandiso fisainana ahy ianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary hoy i Labana tamin’i Jakoba: Inona izao ataonao izao no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 ka nilaza tamin’i Jakôba hoe: –Inona izao nataonao izao? Nahoana no namitaka ahy ianao, ka nentinao mandositra toy ny babo an’ady ireo zanako vavy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 ka nilaza tamin’i Jakôba hoe: –Inona izao nataonao izao? Nahoana no namitaka ahy ianao, ka nentinao mandositra toy ny babo an’ady ireo zanako vavy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hoy Labana tamin’i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko hianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary hoy i Labana tamin’i Jakoba: Inona izao ataonao izao no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:26
17 Rohy Ifampitohizana  

ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy,


Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.


Ka hoy i Abimeleka: «Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin’ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay ianao.»


Nony tonga ny maraina, indro fa i Lià io, ka hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?»


Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»


Tsy izany ihany koa, fa ny harena rehetra nalain’Andriamanitra tamin-drainay, dia azonay, izahay sy ny zanakay. Koa ankehitriny ataovy izay nandidian’Andriamanitra anao.»


Dia tratran’i Labàna i Jakôba. Ka i Jakôba moa efa niorin-day teo an- tendrombohitra, i Labàna koa nanorina ny azy mbamin’ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada.


Nahoana no nitsoaka mangina ianao, sady namitaka ahy, fa tsy nampandre ahy akory, dia ho nalefako ianao tamin-kafaliana sy hira, ary tamin’ampongatapaka sy valiha?


Dia tezitra i Jakôba ka nanome tsiny an’i Labàna; ary niteny i Jakôba ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo erỳ ianao manenjika ahy?


Nofaohiny daholo ny fananany, ny zanany, ny vadiny, mbamin’izay rehetra hitany tao an-trano.


Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.


Dia namaly i Pilaty nanao hoe: «Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?»


Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»


Ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy: «Ambarao amiko izay nataonao.» Dia nambaran’i Jônatasy azy, ka hoy izy: «Nanandrana tantely tamin’ny loha tehina tetỳ an-tanako, ary inty aho manaiky ny ho faty.»


Hoy ny navalin’i Davida: «Fa naninona re aho izao e? Moa tsy teny tsotra izao no nataoko?»


ny vehivavy sy ny olon-drehetra trany tao nobaboiny avokoa, na ny kely na ny lehibe, ary tsy nisy novonoiny izy fa nentiny ho babo, dia lasa nandeha izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra