Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.
Genesisy 10:32 - Baiboly Katolika Ireo no fianakavian’ny zanak’i Nôe, araka ny taranany, any amin’ny fireneny avy. Avy amin’ireo ny firenena niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no fokon’ireo zanak’i Noa araka ny taranany, amin’ny fireneny. Avy tamin’ireo no niparitahan’ny firenena tetỳ ambonin’ny tany taorianan’ny safodrano. DIEM PROTESTANTA Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no mpianakavin’ny zanak’i Noa, araka ny taranany, amin’ny fireneny; ary avy tamin’ireo no niavakavahan’ny firenena tambonin’ny tany taorian’ny safo-drano. Malagasy Bible Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano. La Bible en Malgache Ireo no fokon’ireo zanak’i Noa araka ny taranany, amin’ny fireneny. Avy tamin’ireo no niparitahan’ny firenena tetỳ ambonin’ny tany taorianan’ny safodrano. |
Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.
Ireo no taranak’i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin’ny taniny sy any amin’ny fireneny avy.
Roa lahy no zanak’i Ebera, ka Falega no anaran’ny anankiray, fa tamin’ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran’ny rahalahiny.
Ireo no taranak’i Sema, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny, any amin’ny taniny avy, araka ny fireneny avy.
Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»
izy ireo no hany nomena ny tany, ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy na oviana na oviana.
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,