Genesisy 1:31 - Baiboly Katolika Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina. DIEM PROTESTANTA Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,–andro fahenina izany. Malagasy Bible Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany. La Bible en Malgache Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina. |
Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.
Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany andro izany no nitsaharany tamin’ny zavatra rehetra noarîny tamin’ny nanaovany azy.
raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
Manome azy Ianao, dia mandray izy; manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy.
Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»
Ho famantarana mandrakizay ho Ahy sy ny zanak’i Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra.»
Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.