Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;
Genesisy 1:20 - Baiboly Katolika Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra! DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan-aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra! |
Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;
Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: «Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.»
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voromanidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.» Dia tanteraka izany.
Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.
Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.
Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.
Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»
Satria iza moa amin’ireo rehetra ireo no tsy mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no mahavita ireo zavatra ireo,
Fa olona nanampatra, tamin’ny asany, fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana, ka dia mamela ny vokatry ny asany ho anjaran’ny olona tsy nisasatra tamin’izany akory: izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe!
Aza misy haninareo rehefa mety ho biby mandady amin’ny tany, na ireo mikisaka amin’ny kibony, na ireo mandia tongotra efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo.
Aza mametaveta ny tenanareo amin’ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin’ireny fa hahazo loto avy amin’ireny ianareo.
Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.