Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 1:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan-aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 1:20
17 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahefatra.


Dia noarin’Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Dia nitsodrano azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin’ny tany!»


Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany.


Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka.


Tany no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitra ny karazam-bibidia sy voro-manidina rehetra, ka dia nentiny teo amin-draolombelona ireny hahitany izay anarana hiantsoany azy. Ary dia izay hanononan-dralehilahy azy no ho anarany.


Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.


Avoahy koa ireo biby rehetra niaraka taminao, dia ny karazam-borona rehetra, ny biby rehetra isan-karazany na kely na lehibe, ary aoka hiparitaka eny ambonin’ny tany ireny, ka hitombo eny.»


Iza amin’ireo voaary rehetra ireo no tsy mahalala fa asan’ny tanan’ny TOMPO avokoa ireny!


ry bibidia sy biby fiompy rehetra, ry biby mandady sy voro-manidina.


Misy manko olona izay nisasatra niasa tamim-pahakingana sy tamim-pahaizana ary tamim-pahombiazana, kanefa dia olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory ny no tsy maintsy hamelany azy ho lova. Zava-poana koa izany, ary tsy rariny goavana.


Aza misy haninareo ireny bibikely ireny, na ny mikisaka amin’ny kibony, na ny mandia tongotra efatra na mihoatra noho ny efatra, satria fady aminareo ireny.


Aoka tsy hanota fady na handoto tena amin’ireny bibikely rehetra ireny ianareo, fandrao hanjary maloto ianareo.


Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra