Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Genesisy 1:2 - Baiboly Katolika Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no teo ambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba teo ambonin’ny rano. DIEM PROTESTANTA dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin’Andriamanitra no nanomba tambonin’ny rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin’Andriamanitra no nanomba tambonin’ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. Malagasy Bible Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. La Bible en Malgache Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no teo ambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba teo ambonin’ny rano. |
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin’ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin’ny tsinontsinona;
Miderà an’i Iaveh etỳ an-tany, ry biby goay be anaty ranomasina, mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.
Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany, no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema; hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.
Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Mova tsy ny voromahery manaitaitra ny zanany madinika sy manidintsidina eo ambonin’ny zanany no namelarany ny elany nandraisany azy, sy nitondrany azy teo ambonin’ny elany.