Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh i Asafa mbamin’ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan’ny Fiara, araka ny anjara raharahany isan’andro.
Ezra 3:4 - Baiboly Katolika Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sady nanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro araka ny isany avy, tahaka ny fanao; araka izay voatendry hatao isanandro avy. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin’ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin’ny fanatitra dorana isan’andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan’andro avy. Malagasy Bible Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy. La Bible en Malgache Nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sady nanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro araka ny isany avy, tahaka ny fanao; araka izay voatendry hatao isanandro avy. |
Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh i Asafa mbamin’ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan’ny Fiara, araka ny anjara raharahany isan’andro.
afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon’i Iaveh, araka ny ilainy isan’andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.
Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha;
«Izao no hatolotrao eo ambonin’ny ôtely: zanak’ondry efa iray taona, roa isan’andro tsy tapaka.
Noporitin’ny mpampiasa nataony hoe: «Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan’andro tahaka ny fony nanana mololo ianareo.»
Ny amin’ny fivelomany, ny fivelomany hatrany hatrany dia ny mpanjakan’i Babilôna no niantoka azy isan’andro, mandra-pahafatiny, tamin’ny andro rehetra niainany.
Ireo avy no sorona haterinareo ho an’i Iaveh amin’ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitrapo: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo.
Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.