Nomery 29:39 - Baiboly Katolika39 Ireo avy no sorona haterinareo ho an’i Iaveh amin’ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitrapo: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201139 Ireo no hatolotrareo ho an’NY TOMPO amin’ny fotoam-pivavahanareo, ankoatra ny fanatitra fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitrapo izay hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ho fanatitra aidina ary ho fanati-pihavanana. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA39 «Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara39 «Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy39 Ireo no haterinareo ho an’i Jehovah amin’ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitra-ponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana. Jereo ny tokoMalagasy Bible39 Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana. Jereo ny toko |