Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:26 - Baiboly Katolika

Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tao amin’ny tany Gosena izay nitoeran’ny Zanak’Israely ihany no tsy mba nisy havandra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tao amin’ny tany Gosena izay nitoeran’ny Zanak’Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tao amin’ny tany Gosena izay nitoeran’ny Zanak’Israely ihany no tsy mba nisy havandra.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:26
10 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin’ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak’i Israely kosa nahazo mazava teo amin’izay toerana nonenany.


Fa eo amin’ny zanak’i Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran’i Iaveh an’i Ejipta sy an’i Israely.


Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.


Hasiako fiavahana ny vahoakako sy ny vahoakanao; ary rahampitso no hisian’izany famantarana izany.»


Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.


Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.


Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.


Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.