Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»
Eksodosy 7:6 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. DIEM PROTESTANTA Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nataon’i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataony. Malagasy Bible Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony. La Bible en Malgache Dia nataon’i Mosesy sy i Arona izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO azy no nataony. |
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»
Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»
Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.
Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.