Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:18 - Baiboly Katolika

ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejiptianina harikoriko tsy te hisotro ny rano eo an’ony.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia ho faty ny hazandrano ao Neily ka ho maimbo i Neily, ary tsy ho afaka hisotro ny rano avy ao Neily intsony ny Ejiptiana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho faty ny trondro ka ho maimbo ny ony, dia tsy ho azon’ny Ejiptianina sotroina intsony ny rano ao.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho faty ny trondro ka ho maimbo ny ony, dia tsy ho azon’ny Ejiptianina sotroina intsony ny rano ao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian’ny Egyptania intsony ny hisotro ny rano ao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia ho faty ny hazandrano ao Neily ka ho maimbo i Neily, ary tsy ho afaka hisotro ny rano avy ao Neily intsony ny Ejiptiana.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.


Ary ny Ejiptianina rehetra nihady lavaka teny akaikin’ny ony hahitany rano azo nosotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.


Ny renirano hanjary maimbo, ny lahin-dranon’i Ejipta hihena dia ho maina; ny zozoro amam-bolotara halazo.


fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»


ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»