Eksodosy 7:15 - Baiboly Katolika Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso maraina; indro, handeha ho any amoron-drano izy; mijanòna eo amoron’i Neily ianao mandra-piaviny; ary ny tehina, ilay niova ho menarana, dia hoentinao eny an-tananao, DIEM PROTESTANTA Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy. Baiboly Protestanta Malagasy Mankanesa ao aminy hianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin’ny rano izy; dia mijanòna eo amoron’i Neily hianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novana ho menarana, ho entinao eny an-tànanao), Malagasy Bible Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao), La Bible en Malgache Mankanesa ao aminy ianao rahampitso maraina; indro, handeha ho any amoron-drano izy; mijanòna eo amoron’i Neily ianao mandra-piaviny; ary ny tehina, ilay niova ho menarana, dia hoentinao eny an-tananao, |
Dia nidina handro eo amin’ny ony ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony teny ny zazavavy namany. Rehefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain’ilay ankizy vaviny.
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.
Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.
Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»