Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 6:25 - Baiboly Katolika

I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Eleazara, zanakalahin’i Arona, naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, dia niteraka an’i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, araka ny fokom-pireneny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona, dia naka vady avy tamin’ny zanakavavin’i Potiela, ary niteraka an’i Finehasa taminy. Ireo no lohan’ny fianakavian’ny levita, araka ny fokom-pireneny.

Jereo ny toko



Eksodosy 6:25
9 Rohy Ifampitohizana  

zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;


Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.


Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.


Nirahin’ny zanak’i Israely ho any amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, any amin’ny tany Galaada, i Finea zanak’i Eleazara mpisorona,


Dia maty i Eleazara zanak’i Aarôna, ka nalevina tao Gabaà, tanànan’i Finea zanany, izay nomena azy ao amin’ny tendrombohitr’i Efraima.


ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»