Eksodosy 6:19 - Baiboly Katolika Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ny levita, araka ny taranany. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahelỳ sy i Mosỳ. Ireo no razamben’ny tarika levita samy araka ny taranany avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahelỳ sy i Mosỳ. Ireo no razamben’ny tarika levita samy araka ny taranany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ny Levita, araka ny taranany. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ny levita*, araka ny taranany. |
Zanaka lahin’i Merarỳ: i Moholỳ sy i Mosỳ; zanaka lahin’i Merarỳ tamin’i Oziao zanany: i Saama, i Zakora ary i Hebrỳ.
Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.
Tanàna 12 tamin’ny fokon-dRobena, sy fokon’i Gada, ary fokon’i Zabolôna, no azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany.