Ny fiandriananao mihoa-pampana, No andringanana ny fahavalonao; Fa mampirehitra ny hatezeranao Ianao, Dia levona toy ny mololo ireny.
Eksodosy 5:12 - Baiboly Katolika Dia niely eran’ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. DIEM PROTESTANTA Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niely eran’ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. Malagasy Bible Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo. La Bible en Malgache Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. |
Ny fiandriananao mihoa-pampana, No andringanana ny fahavalonao; Fa mampirehitra ny hatezeranao Ianao, Dia levona toy ny mololo ireny.
fa ianareo no mandeha mitady mololo any amin’izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza.»
Noporitin’ny mpampiasa nataony hoe: «Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan’andro tahaka ny fony nanana mololo ianareo.»
Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.
Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.
Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy;