Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.
Eksodosy 40:2 - Baiboly Katolika «Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakely na ny tranolay fihaonana. DIEM PROTESTANTA –Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana. Malagasy Bible Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana. La Bible en Malgache Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakely* na ny tranolay fihaonana*. |
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.
Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.
Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia.
«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.
«Hanao ambainy amin’ny volon’osy koa ianao, hatao lay ao ambonin’ny Fonenana, hataonao iraika ambin’ny folo ambainy izy,
Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»
Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany.
ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany;
Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.
Tamin’ny taona faha-25n’ny nahababo antsika, tamin’ny fiandohan’ny taona, andro fahafolon’ny volana, taona faha-14n’ny naharavan’ny tanàna, tonga tamiko androtr’izay ihany ny tanan’i Iaveh, ka nitondra ahy ho any amin’izany fitoerana izany.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny volana voalohany, ny andro voalohan’ny volana, mangalà vantotr’ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an’ny fitoerana masina.
Any an’efitra Sinaia, tao an-trano lay fihaonana, tamin’ny andro voalohany amin’ny volana faharoa, taona faharoa taorian’ny nivoahana tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe;
Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,
Tamin’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany an’efitra Sinaia, ka nanao hoe:
Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.