Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:26 - Baiboly Katolika

lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia famohamandry sy sarin’ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny moron-tongony asio sarin’ampongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin’ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin’ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany:


lakolosy kely volamena dia sarin’ampongabendanitra, manaraka ny morontongotry ny akanjo lava manodidina hatrany.


nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra;


Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany;


Ny tsirinao dia alan’ampongabendanitra, misy sipresy sy narda,


Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan’ny voalinao.


Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka alokalofan’ny voalinao.


Ary indro nisy vehivavy nitsi-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;


«Asio sahondrany ny zorony efatra amin’ny lamba itafianao.»