Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:18 - Baiboly Katolika

Ary nofeheziny tamin’ny randram-bolamena roa ny tendrony roa amin’ny rojony roa dia napetraka teo amin’ny soroky ny efôda anoloana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny lanin’ny tady roa dia nataony teo amin’ny randram-bolamena roa, ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda, teo anoloana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia napetaka tamin’ny bokom-bolamena izay teo ambonin’ny beritelon’ny efôda, mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia napetaka tamin’ny bokom-bolamena izay teo ambonin’ny beritelon’ny efôda, mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny lanin’ny tady roa dia nataony teo amin’ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin’ny soroky ny efoda anoloana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny lanin’ny tady roa dia nataony teo amin’ny randram-bolamena roa, ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda, teo anoloana.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.


sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin’ny randram-bolamena ny rojo madinika miendri-tady.»


Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy.


Natsofoka tamin’ny masom-bola roa ny tady volamena roa teo an-tendron’ny saron-tratra.


Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anaty manolotra ny efôda.


Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona, soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.