Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 34:30 - Baiboly Katolika

I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy fa indro, namirapiratra ny hodi-tavany, dia natahotra azy izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy fa indro, namirapiratra ny hodi-tavany, dia natahotra azy izy ireo.

Jereo ny toko



Eksodosy 34:30
7 Rohy Ifampitohizana  

Nantsoin’i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana ka niresaka tamin’ireo izy.


Iza moa no tahaka ny hendry, ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy? Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny, ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.


Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»


Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ny amin’inona no iadianareo hevitra amin’ireto?»


Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.


Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;


Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,