Eksodosy 33:18 - Baiboly Katolika Ary hoy i Môizy: «Mba ataovy mahita ny voninahitrao aho.» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. DIEM PROTESTANTA Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo: –Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo: –Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. |
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»
Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.