Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo: –Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia hoy i Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo: –Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary hoy i Môizy: «Mba ataovy mahita ny voninahitrao aho.» Ka hoy ny navalin’i Iaveh:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa manaova kosa sorona araka ny lalàna ary dia matokia ny TOMPO.


Koa enga anie ho afa-mibanjina Anao ao amin’ny Toeramasina aho mba hahitako ny hery amam-boninahitrao!


Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.


Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.


Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan’ny voninahitr’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika.


Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra