Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 33:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fa hoy kosa NY TOMPO: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’NY TOMPO eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 «Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko rehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i Iaveh; fa mankasitraka izay ankasitrahiko aho ary mamindra fo amin’izay amindrako fo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:19
16 Rohy Ifampitohizana  

Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy ôliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.


Hiaina amim-piadanana izany olona izany; ary ny taranany no handova ny tany.


samy vesaran’ny heloka vitany. Ny hadisoanay tsy zakanay; Ianao kosa no mikosoka azy.


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


Hovokisako zava-matavy ny mpisorona ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.


Akory ny fahasambarany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.


Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin’ny toe-dratsy?


Izany no ampahafantaran’Andriamanitra fa be voninahitra Izy ka manan-karena ho antsika izay fanaka amindrany fo sady efa voaomany rahateo hahazo voninahitra.


Miantso ny anaran’ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra