Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama,
Eksodosy 32:35 - Baiboly Katolika Nokapohin’i Iaveh ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak’omby izay nataon’i Aarôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO namely ny olona satria nanao ombilahy kely izy, dia ilay namboarin’i Arona. DIEM PROTESTANTA Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin’i Aharôna ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin’i Aharôna ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’i Arona. Malagasy Bible Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO namely ny olona satria nanao ombilahy kely izy, dia ilay namboarin’i Arona. |
Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama,
Dia hoy aho tamin’izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.»
Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy.
Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay.
Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Nefa nahazo saha tamin’ny tambin’ny otany iny lehilahy iny, ary lavo nihohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka ny tsinainy.
Dia nanao sarin-janak’omby izy ireo tamin’izany andro izany, ka nanao sorona tamin’io sary io, ary niravoravo tamin’ny asan-tanany.