Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:28 - Baiboly Katolika

28 Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Nankatoavin’ny Levita ny tenin’i Mosesy, ka Israelita telo arivo eo ho eo no maty tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Nankatoavin’ny Levita ny tenin’i Mosesy, ka Israelita telo arivo eo ho eo no maty tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:28
12 Rohy Ifampitohizana  

Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahany; Andriamanitra be indrafo ho azy ireo Ianao, ary namaly azy tamin’ny hadisoany.


«Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.»


Dia hoy i Môizy: «Samia manokan-tena amin’i Iaveh ianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio.»


Nokapohin’i Iaveh ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak’omby izay nataon’i Aarôna.


Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany,


Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»


mba tsy hijangajanga isika, tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina izy no maty indray andro monja.


izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankatò ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra