Eksodosy 32:33 - Baiboly Katolika Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko. Malagasy Bible Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. La Bible en Malgache Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. |
Aoka hovonoina eo amin’ny bokin’ny fiainana izy ireo; ary tsy ho voasoratra miaraka amin’ny marina izy.
Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko, nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».
Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.
Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
ary holevoniko amin’ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin’izany andro izany.
Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.