Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 23:30 - Baiboly Katolika

30 ary holevoniko amin’ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Koa ny olona rehetra izay miasa amin’io andro io dia hesoriko tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 Ary ny olona rehetra, izay manao raharaha amin’io andro io, dia holevoniko tsy ho eo anivon’ny vahoaka israelita

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ary ny olona rehetra, izay manao raharaha amin’io andro io, dia holevoniko tsy ho eo anivon’ny vahoaka israelita

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin’izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:30
9 Rohy Ifampitohizana  

Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»


Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.


Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.


Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako.


Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;


Tsy hanao asa na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.


Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina, dia ny firenenan’ny Kretoà! Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina: Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.


Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra