Eksodosy 32:33 - DIEM PROTESTANTA33 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201133 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara33 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika33 Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy33 Fa hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko. Jereo ny tokoMalagasy Bible33 Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache33 Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. Jereo ny toko |
Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.
Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan’io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin’ny zavatra voasoratra tao anatin’ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.