Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:34
21 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO Andriamanitray ô, Ianao mihitsy no mamaly azy; fa Andriamanitra nahari-po taminy Ianao, nefa kosa nanafay azy noho ny ratsy nataony.


Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin’ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao.


Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;


«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.


Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


«Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny helony, dia horavako ireo alitara ao Betela; hopotehiko ny tandroky ny alitara isanisany, ka hianjerazera amin’ny tany.


«Amin’ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany, dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko; noho izany, dia hampamoahako anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo.»


Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.


Koa hitambesatra aminareo ny ratsy natao tamin’ny olo-marina rehetra nalatsa-dra teto amin’ity tany ity, nanomboka tamin’i Abela olo-marina ka niafara tamin’i Zakarià zanakalahin’i Barakià, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana.


Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra