Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 13:8 - Baiboly Katolika

8 Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 13:8
25 Rohy Ifampitohizana  

«Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»


Ataovy miampy heloka ny helony; ary aoka tsy hanana anjara amin’ny fahamarinanao izy.


Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.»


Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»


Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.


Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»


Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,


Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.


noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,


Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.


Nampiasainy avokoa ny fahefan’ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin’ilay Biby voalohany, sitrana tamin’ny fery saika nahafaty azy, ny tany mbamin’izay monina ao aminy, niakatra avy amin’ny tany; roa toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.


Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.


ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.


Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany.


Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.


nanao tamim-peo mahery hoe: «Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra.»


Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe: «Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay!»


Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra