Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,
Eksodosy 32:14 - Baiboly Katolika Dia nanenenan’i Iaveh ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. DIEM PROTESTANTA Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. Malagasy Bible Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. La Bible en Malgache Dia nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. |
Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy i Môizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy.
Notsarovany, hitsimbinana azy, ny fanekeny; namindra fo taminy araka ny hatsaram-pony lehibe Izy;
koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»
Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana, mba miverina miala amin’ny haratsiany, dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy.
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.
Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.
Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha no nitoerako tany an-tendrombohitra dia nihaino ahy indray i Iaveh tamin’ity, ka tsy sitrak’i Iaveh ny nandrigana anao.
Saiky hataoko hoe: Hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo, hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,
Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany, ary nony mpanompony dia hanenina izy, rehefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo i Iaveh, dia nomban’i Iaveh izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ny mpitsara; satria nalahelo i Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
«Manenina Aho tamin’ny nananganako an’i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko». Dia nalahelo i Samoela ary nitaraina tamin’i Iaveh izy nandritra iny alina iny.