ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.
Eksodosy 28:7 - Baiboly Katolika Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hisy soroka roa eo amin’ny sisiny roa mba hampikambana azy. DIEM PROTESTANTA Beritelo zairina amin’ny sisiny roa no hitondrana ny efôda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Beritelo zairina amin’ny sisiny roa no hitondrana ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka hisy soroka roa avy amin’ny sisiny roa hampikambana azy. Malagasy Bible Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy. La Bible en Malgache Hisy soroka roa eo amin’ny sisiny roa mba hampikambana azy. |
ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.
«Ny efôda dia hataony amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin’ny tenona lavorary.
Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.
Ary nofeheziny tamin’ny randram-bolamena roa ny tendrony roa amin’ny rojony roa dia napetraka teo amin’ny soroky ny efôda anoloana.