Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:25 - Baiboly Katolika

25 ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana kosa ny lanin’ny tady roa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia hapetaka amin’ny bokom-bolamena izay eo ambonin’ny beritelon’ny efôda mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia hapetaka amin’ny bokom-bolamena izay eo ambonin’ny beritelon’ny efôda mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary ny lanin’ny tady roa dia ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana kosa ny lanin’ny tady roa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:25
7 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.


sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin’ny randram-bolamena ny rojo madinika miendri-tady.»


Ka ny rojo volamena roa hampidirinao amin’ny masom-bolamena roa, amin’ny tendron’ny saron-tratra;


Manaova koa masom-bolamena roa, hatao amin’ny tendrony ambany roa, amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anatiny, manolotra ny efôda.


Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy.


Teo amin’ny saron-tratra dia nasiana rojo madinika, volamena madio, voarandrana toy ny tady.


Nasiana sorony roa hanambatra azy, ka dia voakambana tamin’ny tendrony roa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra