Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin’ny koronosy izay teo ambonin’ny tampon’ny andry, ka nasiany fito ny koronosy, ary fito ny koronosy hafa;
Eksodosy 28:24 - Baiboly Katolika Ka ny rojo volamena roa hampidirinao amin’ny masom-bolamena roa, amin’ny tendron’ny saron-tratra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny mason-drojo roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. DIEM PROTESTANTA Hafatotra tsirairay amin’ireo haba amin’ny saron-tratra ireo ny rojo volamena madinika; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatotra tsirairay amin’ireo haba amin’ny saron-tratra ireo ny rojo volamena madinika; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny vava vola roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. Malagasy Bible Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra. La Bible en Malgache Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny mason-drojo roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra. |
Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin’ny koronosy izay teo ambonin’ny tampon’ny andry, ka nasiany fito ny koronosy, ary fito ny koronosy hafa;
nasiany voan’ampongabendanitra roa andalana manodidina ny iray amin’ny harato makarakara, hanarona ny koronosy teo an-tampon’ny andry anankiray, dia nataony toy izany koa ny koronosy anankiray.
sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin’ny randram-bolamena ny rojo madinika miendri-tady.»
hanaovanao masom-bolamena roa sy saron-tratra, ary hapetakao amin’ny tendrony roa amin’ny saron-tratra ny masom-bolamena roa.
ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.