Ny dimy koa hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny faharoa amin’ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny farany amin’ny Fonenana, amin’ny andrefana.
Eksodosy 26:28 - Baiboly Katolika Ny barany afovoany hatao manaraka ny hazo fisaka, mahatratra ny sisiny roa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny barany afovoany, izay eo afovoan’ny hazofisaka, dia hahatratra ny farany roa. DIEM PROTESTANTA Ny barany afovoany dia handalo eo am-pisasahan’ny haavon’ny hazo fisaka, ary hatao mahatakatra ny sisiny an-daniny roa amin’ny fonena-masina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny barany afovoany dia handalo eo am-pisasahan’ny haavon’ny hazo fisaka, ary hatao mahatakatra ny sisiny an-daniny roa amin’ny fonena-masina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ny zanakazo, dia hahatratra ny farany roa. Malagasy Bible Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa. La Bible en Malgache Ary ny barany afovoany, izay eo afovoan’ny hazofisaka, dia hahatratra ny farany roa. |
Ny dimy koa hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny faharoa amin’ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny farany amin’ny Fonenana, amin’ny andrefana.
Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoeran’ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany.