Eksodosy 26:26 - Baiboly Katolika Hanao barany akasià ianao; ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely, DIEM PROTESTANTA «Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina; Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ny zanakazo amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely, Malagasy Bible Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely, La Bible en Malgache Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely, |
Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin’ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy isam-panambanin’ny hazo fisaka iray.
Ny dimy koa hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny faharoa amin’ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny farany amin’ny Fonenana, amin’ny andrefana.
Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,
Ka izao no omena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany,
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.
nefa olona tsy mikambana amin’ny Loha, Izay iveloman’ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin’ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian’Andriamanitra homena azy.